MANINONA HOY AHO? (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maninona hoy aho, no tsy mety mandroso,
Ity Firenena manankarena, tena lasa androrosy?
Mahatonga saina lalina ny mandinika izany,
Satria efa lavo, eny mitrosina amin'ny tany.

Maninona hoy aho, izay nomena fahefana,
Niova sy nivadika, ny nanohana no dakana?
Fihetsik'amboadia mitafy hodi-janak'ondry;
Ka ilay safosafo, toa nivadika ho totohondry.

Maninona hoy aho, rehefa itodiana ny taloha?
Ireo mpitandro filaminana, navoaka hamaky loha,
Nanapoapoaka grenady, sy nitifitifitra basy,
Ny vahoaka mahantra, no vonoina toa parasy.

Maninona hoy aho, eny maninona foana re?
Ny maso no tapenana, ny sofina tsy mandre;
Mba hijery mahitsy, sy hihaino ny fitarainana.
Rehefa dinihina lalina, tena lasa ny fisainana.

Maninona hoy aho, isika manana andraikitra?
Andao ahiratra ny maso, fa tsy avela hiraikitra.
Sokafana koa ny sofina, mba ho aheno tsara.
Jerena ireo vaha olana, dia ny mbola tsy tara.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Febroary 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - fiainana
922 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:25)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113