MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha dinihina mantsy ‘reo andro niainana,
Na ireo lasa izany, na ny ankehitriny,
Miampita lavitra tokoa anie ny fisainana,
Tsaroana avokoa hatramin'ny fahiny.

Raha tonga ny andro ilam-panampiana;
Ny akaiky angaha ho rototra amin’izany,
Sahiran-dava, be ny zava-nahasondriana,
Sy nahavariana amin'ny fiainana an-tany.

Nisy tamin'ireo sahy nilaza ho namana,
Nampitandrina fa be, hono, ny loza mitatao;
Toe-tsaina toa ny an'ireo ory hava-manana,
Tsy te hivaky loha, ka akory ny hatao?

Koa iza hono no hantsoina mba hijery,
Sy ho tan-tsoroka hanampy raha izany?
Ny tena ihany io, miezàha samy irery,
Fa tsy lany andro mitaraina, mitomany.

Ny lesona azo tsoahina raha izany,
Raha te hahomby amin’izay rehetra atao,
Tsy miankina amin’ny hafa fa ny tena ihany,
Sao lany andro miandry Paoly eo ianao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 May 2020
--------
Rohy:
1189 8
Hevitra mandeha
Mambinina ( 10/06/2020 01:20)
mampahery tokoa izy izany!!!
sarindraravaloson ( 18/06/2020 08:10)
marina tokoa izany
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:27)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0196