MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
Raha dinihina ny andro rehetra niainana,
Na ny efa lasa io, na koa ny ankehitriny,
Dia tena lasa lavitra tokoa ny fisainana,
Raha nahatsiaro ny hatramin'ny fahiny.
Raha tonga ny andro ilàna fanampiana ;
Ny akaiky mety tsy ho rototra amin’izany,
Sahiran-dava, be ny zava-nahasondriana,
Sy nahavariana amin'ny fiainana an-tany.
Nisy tamin'ireo olona nilaza ho namana,
Nampitandrina fa be hono ny loza mitatao ;
Toe-tsaina toa ny an'ireo ory hava-manana,
Tsy te-hivaky loha, ka akory re ny ho atao.
Ka iza ary hono no hantsoina mba hijery,
Sy ho tan-tsoroka hanampy raha izany ;
Ny tena ihany io, miezàha samy irery,
Fa tsy lany andro mitairaina, mitomany.
Ny lesona azo tsoahina raha araka izany ;
Raha te-hahomby amin’izay rehetra hatao,
Ny tsy miankina afa-tsy amin’ny tena ihany,
Sao lany andro miandry an’i Paoly eo ianao.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 May 2020
Hevitra mandeha
Mambinina (10/06/2020 01:20:43)
sarindraravaloson (18/06/2020 08:10:19)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 07/06/2020
Mpamangy : 423
Mankafy : 7
Tononkalo hafa
EMBONA AN’I DADATSIARO AN'I NENY
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO
NY FIAINANA FANETREN-TENA
NY FIAINANA ETO AN-TANY
NY ASA FAMPIANARANA
AZA MANDORO TANINDRAZANA