NANKAIZA HONO NY OLON-TETY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
NANKAIZA HONO NY OLON-TETY
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Miantsoantso toa fotsy rora ;
Feo manako, toa manakora ;
Lany ringana ny mety ho akora ;
Rivotra sisa no mitsoka mora.
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Tamboho rava sisa mijoro ;
Hadivory ity efa lasa mikoro ;
Farihy koa efa rako-jozoro ;
Fo miatrika izany torotoro.
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Izay jerena toa lasa ngazana ;
Mierikerika tsisy mpitazana ;
Misimisy efa lasan-ko razana ;
Zavaboahary sisa maro karazana.
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Lasa baranahina ny Firenena ;
Gaboraraka ny mety ho harena ;
Malagasy maro lasa mosarena ;
Mandohalika sy mahonena.
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Maro ihany ny avara-pianarana ;
Ray amandreny be fananarana ;
No avela potika hikoroso fahana ;
Ny Firenena hany mba hananana.
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Ny matory, mifohaza amin'izay ;
Ireo nobadoana, meteza hahay ;
Ny variandriana, mba miolomay ;
Andao vonjena Tanindrazana may.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Jolay 2022
Hevitra mandeha
raims randriamalala (10/08/2022 08:05:08)
NY AKANY!
fa mba nankaiza ny olon-tety
no rindrina sisa tinazana
ny vovonana indreo mikodia
ny efitra toa ngazangazana
ny rindrina no sisa mijoro
fandrotsarana no haingo tanàna
ireo tafo nianjera nikoro
toa nilaozan'ireo tsy tamàna
dia lasa aiza ny olona teto
no avana sisa mitsangana?
akany toa mpamelon-tsento
sa ny havana kosa no lasana?
diapen'i Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Tanjmbato 06-11-2019, 20:50
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 24/07/2022
Mpamangy : 527
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
HO FIRENENA SANGANYMIBANJINA NY HO AVY
LALAN-TSAROTRY NY FIAINANA
INY TSIKINAO INY
HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY
SAINTSAINO KELY FA ...
FITOPOLO TAONA ANDROANY
ZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO