NY ASA FITSABOANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny asa fitsaboana, ilana olon-tena malina;
Na amin'ny antoandro, na amin'ny alina.
Mila fahavononana, amin'ny fotoana rehetra;
Mandrisika hianatra, ka aina no fetra.

Ny asa fitsaboana, asa iray mila fitoniana;
Fanajana ny marary, fa tsy fanambaniana,
Amin'ny fotoana rehetra, izay hifaneraserana,
Na an-toeram-pitsaboana, na ankalamanjana.

Ny asa fitsaboana, asa iray tena mendrika,
Hanampy ny marary, hitraka, tsy ho rendrika;
Hahitany fahasitranana, izay iriany mafy,
Vita eto an-toerana, tsy manery ho any an-dafy.

Ny asa fitsaboana, asa mila fandalinana;
Ahitana tsara ny aretina, izay tokony hotiliana.
Hampiasana fanafody, tena mifanandrify;
Ahazoana vokatsoa iainana, fa tsy mampitampify.

Ny asa fitsaboana, asa ilana fahamarinana;
Ka mila fandalinana, atao am-pahamalinana.
Manara-maso akaiky, izay fivoaran'ny aretina,
Hisian'ny fahombiazana, madio tsy misy pentina.

Ny asa fitsaboana, asa tsy hikevohana;
Ny Tompo manasitrana ny marary manoloana.
Mitaky fo malemy paika, amin'ny ora fandraisana;
Mampitony ny marary, tsy mampitondra faisana.

Ny asa fitsaboana, asa tena sarotra;
Tena fanompoana, tsy isihan’ady varotra.
Asa nofidiana, tsy natao hampanankarena;
Asa mihaja, iandraiketana, am-panetren-tena.

RAS AMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Jona 2019
--------
Rohy:
1366 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:50)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151