NY FIAINANA ETO AN-TANY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
NY FIAINANA ETO AN-TANY
Ny fiainana eto an-tany,
Iaraha-mahita mahalala ;
Ny ambony lasa ambany,
Mifankatia, mifankahala.
Ny fiainana eto an-tany,
Fanantenana, fahakiviana ;
Mahafaly, mampitomany,
Hehy, ranomaso mikoriana.
Ny fiainana eto an-tany,
Mahatezitra, mampitony ;
Mila fandinihina hatrany,
Ny ambany, lasa ambony.
Ny fiainana eto an-tany,
Raha dinihina sy jerena ;
Tsy maha mpaminany,
Tampoka eo mahasorena.
Ny fiainana eto an-tany,
Lazaina ambara etoana ;
Tanin-tsiky, tanin-tomany,
Maha sempotra, hisefoana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainana tokana, miavaka ;
Mila mifankatia hatrany,
Tsy tokony hifanavakavaka.
Ny fiainana eto an-tany,
Tsy fiainana an-jato taona ;
Tsy maintsy mody ihany,
Rehefa tonga ny fotoana.
Ny fiainana eto an-tany,
Dia fiainam-pandalovana ;
Miserana mandalo ihany,
Ny hiafarany fahalovana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainana ilàna an'i Tompo ;
Mba ho tretrika hatrany,
Sady mirana no manompo.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 Novambra 2019
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 04/11/2019
Mpamangy : 632
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
EMBONA AN’I DADATSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO
NY FIAINANA FANETREN-TENA
NY ASA FAMPIANARANA
AZA MANDORO TANINDRAZANA