NY RÀN'I JESOA KRISTY TOMPO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Jesoa Kristy, Zanaka tokan'ny Ray;
Tonga teto an-tany hamonjy ny mpanota.
Nanetry tena, nidina nateraka indray,
An-tranon'omby, izay efa tena tonta.

I Jesoa Kristy, nanao fahagagana maro;
Namonjena hatrany ireo tena sahirana.
Niaro, nampiseho, nampahatsiaro,
Fitiavan-tsisy fetra feno tsiky sady mirana.

I Jesoa Kristy, tsy nandà hombohana,
Tambony hazofijaliana na tsy meloka aza.
Fotoana manan-tantara, nanombohana,
Famonjena ny tontolo, araka ny voalaza.

Jesoa Kristy, nandatsaka ny ràny,
Hanavotana antsika an-tanim-pandalovana;
Ho mpandova paradisa any an-danitra any,
Na nisy aza ny tarazom-pahalovana.

I Jesoa Kristy, lalan-tokam-pamonjena;
Manelanelana amin-dRay ambony any.
Raiso amim-po, amim-panetren-tena;
Fa noho ny fitiavany, nalatsany ny rany.

Koa meteza hiova, hateraka indray;
Ho isan’ny zanaka hanaraka ny Tompo,
Tsy anio na ampitso, fa ho mandrakizay.
Mba tsy very ny ràny, ny rehetra hanompo.

Ny ran'i Jesoa, fanantenan'ny tsirairay;
Ny ran'i Kristy, miaro amin-java-mahory;
Ny ran'ny Tompo, fiainana mandrakizay;
Ny ran'i Jesoa, aina mandresy sorisory.

Ny ran'i Jesoa, mamafa ny ratsy efa vita;
Ny ran'i Kristy, mamonjy olom-boafidy;
Ny ran'ny Tompo, mandresy fiainan-tsy hita;
Ny ran'i Jesoa, rà soa, lafo, tena sarobidy.

RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Jona 2019
--------
Rohy:
1328 7
Hevitra mandeha
sarindraravaloson ( 18/06/2020 08:19)
Misaotra Jesoa Tompo ô !
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:50)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
hery ( 04/08/2023 22:08)
Ity koa tsy mandeha ilay antsa. Jereo sao dia tsy nataonao public (anyone)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107