You are here: home > Vetso

TSY KISENDRASENDRA AKORY ! - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

TSY KISENDRASENDRA AKORY !

Tsaroana miverina ao an-tsaina, ampolon-taona maro izay ;
Nifankahitan’olon-droa, tao amin’ny toeram-pitsaboana iray.
Ny iray narary narahi-maso, satria ny aretiny mbola tsy hay ;
Ny iray mpianatra mpitsabo, nanao fizaran’asa mba hahay.

Nandeha ho azy ny tsikitsiky, sy ny fifampiarahabana sesilany.
Tsy nisy nieritreritra, na kely aza, inona no mety hiafarany ?
Satria na ny iray na ny iray, tsy nisy nihevitra azy ho mpaminany ;
Ka hahalala ny mety hiseho, na eo no eo, na any amparany any.

Nihamatetika ny fifankahitana, na tsy nisy antony mazava aza.
Na koa nifampiantso, na nifanoratra, inona indray no malaza ?
Na nisangisangy, nivazivazy, ka moa ve tsy lasa toy ny zaza ;
Ka mitamberina ao an-tsaina androany, ary tiana ny mankalaza.

Nahafinaritra  ny  nitafa, ny  nihomehy, sy  ny  niresadresaka.
Satry  foana  ny  nifankahita,  na  tsy  nisy  aza  ny  maresaka.
Ka  na  kely  aza   ny  fotoana,   nahita  irika   foana  hiresaka.
Izany  tokoa  rehefa  tia,  na  zavatra  tsotra  aza  lasa  resaka.

Nifankahita  foana,  nifampiarahaba,  nifampitsiky, isanandro,
Tsy andry  mihitsy  ny maraina, niposahan’ny  tanamasoandro.
Nifampanontany an’eritreritra, rahoviana re no tonga ny andro ?
Hiarahana  eny  foana,  na   maraina,  na  alina,  na   antoandro.

Aty aoriana vao  tena tsapa, fa hay tsy  kisendrasendra akory,
Ny fifanojoan’olon-droa, fa vintana  sy lahatra tsy nampahory.
Ka izay  rehetra  natao,  dia  nahafinaritra,  lavitra  ny sorisory.
Tsy nisy  zavatra ahiana,  ka raha vao nidaboka  dia resin-tory.

Liana angamba ianao, inona no niafarany ? Niafaran’ny tantara.
Be ny azo tantaraina, fa raha fehezina dia izao no azo ambara :
Nandeha ny fangatahana, ny soratra, niroso teo amin’ny alitara.
Tsy kisendrasendra akory, ny vady tena anjara, ary tsara fiafara.


RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Aogositra 1999

Hevitra mandeha

s19andry5851 (04/06/2017 08:03:51)

Ankafizo dia zarazarao raha tianao !

sarindraravaloson (18/06/2020 08:27:07)

Tsara be, tena kanto tokoa ny fiainan'ireto olon-droa

Hametraka hevitra

Midira aloha