You are here: home > Vetso

Fitia lasanao - Andry

Matahotra
aho ry tiako
Hanambara
izay hiriako

Nefa tiako
ho fantatrao
ny fitia
anatiko ao

Maratra
zary ho fery
Raha ho koboniko
samy irery

ka lazaiko
anao ry malala
ity foko
lasa adala

Aza tsiny
re ry tiana
Raha nitia anao
mangina

fandrao
hangaina ka voatery
dia naleoko
Tsy niteny



Rado ANDRIANIAINA (fitia lasanao -04-10-14)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Andry

Nampiditra : radoandrianiaina2
Daty : 06/05/2017
Mpamangy : 402
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Sā™„uvenir
NOFY