MBA IZA LOATRA IANAO ?? (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba iza loatra ianao?
Ny varavaram-poko; nirindrim-bato teo
naparasakao mivoha midanadana??
Mba iza loatra ianao?
Masoandro modiko iny, andro vasobasoka
Navadikao maraina,mazava sy mafana??

Mba iza loatra ianao?
Ririni-mamanala,hatsiaka-piainako iny
Nataonao lohataona tony feno hanitra
Mba iza loatra ianao?
Alim-pahavaratra, haizina sy tselatra
Nanjary diavolana sy kintana eny an-danitra??

Mba iza loatra ianao?
Ilay raoziko efa lo, ny felany efa maina
Natsimokao indray ho haingon-jaridaina??
Mba iza loatra ianao?
Tananako efa haolo, tapenako efa rava
Natsanganao indray ka lasa fanta-daza??

Mba iza loatra ianao?
Namerina indray ny tsikiko efa very
nadinoko efa làsana??
Mba iza loatra ianao?
Namelona indray, ilay fanantenako,
naleviko any am-pasana??

MBA IZA LOATRA IANAO... ??

ANJARIVO Ronsard
--------
Rohy:
1685 1
Mpakafy: Ronsard
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015