NY FANANTENAKO ANATY NY SAROTRA - ANJARIVO Ronsard
Azo vakiana?
Sarotsarotra ny eritreritro voasoritsoritro
ho saritsari-pahasambaran-tsy ho lany
Raha hiofo paradisa ity tany
Tany dibo-pahoriana
Tany difitr’akiviana
Tany safo-dranomaso
Tany rakotry ny ankaso
Mbola ho nofinofy koa
Ireo rofirofi-pahantrana
Raha hivadi-batosoa
Ka ho foana ny hadalana
Eto Manankasitsara
Nosy mamiko malala
Tany fefik’afetsena
Tany vitsy fahendrena
Tany voki-ndrisoriso
Tany enik’evi-diso
Zaho anefa manantena
Mbola hisy fandresena
Any ankoatran-drahona any
Ho an’ireo izay mankamamy
Miaradalana amin’ny Tompo
Manana fanahy manompo
Efa tsinjoko sahady
Izany tonitonin-tsaina
Rehefa mby ambavahady
Vavahadin’ny maraina
Vavahadin’ny naharitra
Vavahady ao an-danitra!
Amin’izay vao tena ho azoko
Ny valin-katsebohako
Nanondrahako ny taniko
Amin’izay vao tena ho to
Ny valin-kafanam-po
Nanompoana ny Tsitoha
Any ho foana sy ho dila
Fitsarana mitanila,
Soa sy ratsy mifangaro
Amin’io ho habaribary
Ary haseho ankarihary
Ireo tsiambaratelo maro!
Amen!
RONSARD
Mombamomba
Mpanoratra : ANJARIVO Ronsard

Nampiditra : ronsard
Daty : 17/01/2015
Mpamangy : 1401
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
KIADYHO MANDRAKIZAY ANIE
NY HANITRY NY LASAM-PITIA
TSY ANJARAKO
IZA NO HO FIDIAKO
FANANTENANA
IANAO IRERY IHANY
TSY TIA FA MBOLA BABO
TETEZAMITA
ALEOKO MANGINA