RIJA SY LIVA - ANJARIVO Ronsard
Azo vakiana?
Mirijarija toa hazon'oliva
Rija sy Liva
Ajorom-pitia...
Mifototra tsara an-tanan'ny Ray,
Mivahatra mafy ny fo tafaray
Tafara-dia...
Omby tsarety vesarana mafy
Tsy taitra, tsy maika, vonon-kiafy
Iray Zioga mantsy...
Na lala-mideza, na lalana iva;
Mifanome tanana Rija sy Liva
Samy mahatanty...
Na andro ririnina ny androm-pitiavana,
Na andro-balika sy soa mitandavana:
Fitia tsy miofo.
Na inon-kidona, na inon-kiseho,
Na ino-ojam-piainana diavinareo:
Fikiro ny Tompo.
Olona roa manangana voady;
Vonon-kivady; atao mariazy:
Iray izy roa.
Miara-manangana tanjona iray
Miana-manolotra, miana-mandray,
Manoa ny Tsitoha.
Izao no mba hafatro ka tadidio,
Ny toerana avo fandihizan-tadio,
Tsy ilaozan'Ankaso...
Hisopatra lava no antom-pisiany,
Handrodam-pitia koa no tanjon'iriany
Ampijohy ranomaso...
Olona maro mifanerasera
Jere-tsara bika sy tena madera:
Tiavo ny anjara...
Aoka tsy hiandry toloram-pitia,
Fitia tsy fanitrika ambanin'ny tsihy:
Tolory malala...
Fadio indindra fa fijery ratsy
Ny fampitahana ny atsy sy zatsy:
Tsy fahendrena...
Aza fohazina indray ny tantara
Fitiavanareo iaraha-mandala:
Hevero jerena...
Ireo Ray sy Reny nahitana masoandro
Aza adinoina isan'ora isan'andro:
Laka-nitana...
Hajao eny foana, tafio voninahitra
Raha mbola hiteny sy mbola hananatra:
Ho fanatsarana...
ANJARIVO Ronsard
Mombamomba
Mpanoratra : ANJARIVO Ronsard

Nampiditra : Ronsard
Daty : 29/11/2011
Mpamangy : 1449
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
KIADYHO MANDRAKIZAY ANIE
NY FANANTENAKO ANATY NY SAROTRA
NY HANITRY NY LASAM-PITIA
TSY ANJARAKO
IZA NO HO FIDIAKO
FANANTENANA
IANAO IRERY IHANY
TSY TIA FA MBOLA BABO
TETEZAMITA