RIVO-PITIAVANA (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny aina dia avy amin'ny rivo-miely nomenjanahary.
Ny rivo-pitiavako kosa dia teny mamonjy ny ankany.
Ny ankanin'ny foko dia ianao irery ihany ry tiako eto an-tany;
Ka indro ireo voron-tsy manam-podiana raiso mba ho any!!

Ny fo nefa roy tsy nohariana hitovy; tsy azo terena!
Kolokoloina toa endrik'atod'izy; ndrao dia mivena!
Inoako anefa fa fo tafaray ny ahy sy ny anao!
Iriko aharitra mandrakizay; tsy ho lalao!

Jereo irony zaza vao mibadabada an-tratran'ny Reny;
Te anambara fitiavana lava fa tsy hainy miteny!
Tsy tsiny akory no homena azy ireny fa horoka mamy...
Angamba ny fitiavan-tsika tsy teny fa fo mifamaly!!

Rivo-pitiavana ihany ny teny fa tsy mba maniry;
Toa rivo-mitsoka manolotra hery fa tsy mba mitsiry!
Kanefa ny fo rehefa feno fitia dia mamoaka fiteny;
Raha feno ny fo, avohay mankaty ireo rivo-mahery!
--------
Rohy:
2720 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101