NY FITIAVANA - ANL MIKALO
Azo vakiana?
Hanitra mamelovelo ho an'olona tokana
Fofona alavitra miavaka manokana
Hery iray tsy manan_kery setra
Vatosoa sarobidy ho an'ny rehetra
.
Fofona manitra tena manintona
Hery miafina sy tena voafintona
Raha doran'ny afo tsy mba ho kinkina
Raha mandraoka rano tsy mba havinkina
.
Fitiavana kanto toy ny voninkazo
Raha voatondraka tsy halazo
Raha fofonina manimanitra
Raha jeren'ny maso mahafinaritra
.
Fitiavana feno ho an'ny tontolo
Sehatrin'ny fiainana manontolo
Vazy mahafinaritra ao an_trano
Feno hasambaranama tsy mandalo
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ANL MIKALO

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 02/07/2016
Mpamangy : 1242
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SOMARANOFITIAVANA
VAVAKA
FITIA VOARARA
Avelao
Tsy anjara
Fitia niantefa
Tsy mba tsapanao
Mitady ilay sakaiza
IANAO NO MASOANDRO