SOMARANO (ANL MIKALO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray alakamisy izay
nandeha teny sômarano
ny sekoly nianaranay
Ka feno olona mifangaro
.
Mikoràna ny sasany amin'ny zalahy
Miaraka amin'ireo tovovavy
Mihirahira sy mandiha avy
Dia samy manala azy
.
Ny hafa kosa:mandeha milomamo
Mivoy lakana amin'ny rano
Miady ankandrana amin'ny zavatra boribory
Tsy mba nisy izany hoe matoritory
.
Ny olona moa samy manana ny tiany
Mitazatazana dia makamaka sary
Izay no hany mba fifaliany
Mampikajy ireo toerana ho an_tsary
.
Fa nisy tovovavy iray izay
Mampisento ny ao anatiko
Toa misy fitia feno anankiray
Mitsambikina avy aty amiko
.
Ny fingotiny sy ny fiteniny
Ny endriny sy ny fijeriny
Ny fitsikiny sy ny vatany
Toa nahahababo ahy avy hatrany
.
Ny fihetsiny hitako hafahafa
Rehefa miresaka amin'olon_kafa
Toa tsy tantiko fa mahabe ahiahy
Sy mahasaro_piaro
.
Feno azy loatra ny foko
Ka tsy nampiala izato tolokoko
Lasa any aminy ny finidiko
Iantefahan'ny fitiavako
13/04/17
21h28
--------
Rohy:
1212 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANL MIKALO
Nampiditra : Noelson Andrianiaina
Daty : 24/05/2017 15:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127