Tiako tahaka... (ANL MIKALO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako be ianao io
Ka valio sy ampio
Fa aza avela hijaly
Ny foko feno faly
.
Izany fitiavako anao izany dia tiako...
.
Tiako tahaka ny volana
Izay tian'ny olona
Fisontomako ny aingam_panahy
Fijereko ny mombamomba ahy
.
Tiako tahaka ny kintana
Izay tena mamirapiratra
Manampy hazavana koa
Ilay kintana mitondra soa
.
Tiako tahaka ny masoandro
Manazava amin'ny atoandro
Manome ny hafanana
Mandratra ny mamanala
.
Tiako tahaka ny tany
Tsy maintsy misy anao any
Na any ivelany na any anaty
Ny fitiavako anao tsy mety maty
.
Tiako tahaka ny rivotra
Izay ilain'ny rehetra fa manavotra
Misy fotoana mahery loatra
Amin'izay fitiavako anao mitroatra
.
Tiako tahaka ny rano
Izay ilain'ny ao an_trano
Ataoko rano fisotro matetika
Ny fitiavako anao efa tafalentika
.
Tiako tahaka ny fitiavako
Tsy atakaloko,tsy ho soloiko
Entiko any amin'ny havako
Ianao no tena tsy foiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1350 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANL MIKALO
Nampiditra : Noelson ANDRIANIAINA
Daty : 17/06/2016 18:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141