Mitsikia - Antol Herinala
Raha tojo fanaintainana;
Asio tsiky ny fiainana,
fa hisinda vetivety,
tsiky kely d'efa mety.
Raha sendra ady mafy;
onjam piainana mifafy,
ka tiana hisava izay tsy tanty,
tsiky kely d'efa ampy.
Raha nilaozan olon tiana;
mamangy anao ny fahoriana,
ka tiana hipoitra indray ny volana
tsiky kely atao vahaolana.
Raha iny ianao te hitomany
nohon'ny adin tsaina sesilany,
aza mba manaiky resy;
Tsiky kely asesisesy.
Aza adino fa mahalava ny fotoam pahatanorana ny fitsikiana
Hevitra mandeha
antol (07/08/2017 18:30:47)
niyaridan06 (18/08/2017 13:16:40)
tsara,tiako lay izy ry zandrimalala
antol (27/09/2017 09:52:17)
hasnkwelly (25/10/2018 17:58:37)
Mombamomba
Mpanoratra : Antol Herinala

Nampiditra : antol
Daty : 07/08/2017
Mpamangy : 1721
Mankafy : 3