Amin'ny volana ! (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratro amin'ny volana ianao ka banjiniko isan'alina ;
Ary tsy andriko aza izay, hatakariva ny andro !
Eny e! , manjopika ny kitana an'alinalina
Sy tahak'izany koa ny habalikan'ny masoadro.

Fa tsapako amin'ny volana ianao ka banjiniko eto foana
Ary satriko aza ny andro mba ho takariva ihany
ary eto angamba, isika, ilay mba hoe mifampitoana
Ka mitovo ny hasambarako aho,izay tsy fenoko eto an-tany !

Tiako toy ny volana ianao ka ho banjiniko eto hatrany ...
ary mamiko indrindra izany takariva izany !
Tiako ho aho ny volana e! Fa ny masonao dia aminy !

Ary mbola izany indrindra... no hibanjinako azy foana
Fa ianao no tiako ho hita, raha mijery manoloana ;
sy hanovozako fitia,ny hasambaran-kely maminy !

Antsa Tononkalo.R 02/2018
--------
Rohy:
1391 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119