Embon'ny fo, - Antsa tononkalo.R
Antsan'ny Ntaolo
Eo amin'ny takariva mampanembona
I
Ny senton'ny foko mahatsiaro,
misento ilay saraka an-taho
mahatsiaro an'ilay efa ringitra
ny senton'ny foko milaro,
mahita an'ilay ¹mitalaho :
Manembona mafy an'Andringitra !
II
Ny senton'ny foko mimalo,
misento an'ilay ²zana-drano
Voageja ka tsy afa-manoatra
Mimalo sy manganohano,
mitsetra *ilay tsy afa-mikalo :
Manembona mafy an'Alaotra
III
Misento ny fo mitoreo,
misento an'ireo *nody tany
Izay lasa... Tsy hiverina intsony?
Ô! Mitoreo izany foko... Tomany!
Manembona mafy ilay ³lasana teo,
Mahatazana ny ⁴bonga irony...
IIII
Misento ny fo sara-tiana,
sara-tiana sy manina irery
misento tsy manan-ko antsoina !
Ry senton'ny foko, ô! Mangina !
Mangina fa sao lahy ho very,
raha alahelo no atao be iriana...
Meteza! Ka 'ndeha mionòna.
Antsa Rasahobiarinjaka na
Antsa Tononkalo.R 05/2019
I) ¹Ankaratra
II) ²Tsiriry vorona, *ilay zana-drano
III) *ireo efa maty, ³ireo nody tany
⁴toerana misy an'ireo efa maty
•Tononkalo mingadona, manara-drafitra.
•Ahitana "figure de style" samy hafa.
• Tara-kevitra : Alahelo sy Embona.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R

Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 02/05/2019
Mpamangy : 642
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TONONKALO, anefa hiraHianao no tononkirako
"Mialohan'ny zavatra rehe
"Oram-panala"
TIAKO HITOETRA
Teny,
Ny Antsaly
Antampovinany !
Ny jiroko, lany?
"AO AM-PON'NY MAHALALA"