Fo MANANTENA... (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
voron-kelin'ny "FO
MANANTENA"

Kopak'elatra vonona hiampita,
Fanantenana ho tojo ilay tiana;
Finoana ho tojo, ho tafita,
ilay lakan'ny faniriana.

Nefa, kopak'elatra ho aiza? hiampita;
no mihevitra hihoatra irony farihy!
tokonana anefa tsy vita
Kopakopaka sahady...mandihy.

kopak'elatra toa vonon'kanainga
any ho any... tsy fantatra, aiza?
ka njary marina no sady lainga,
ny fanantenana ho tojo sakaiza.

kopak'elatra ho aiza? hiampita,
no dia sahy mandao ny akany.
Nefa mba ho aiza?...toerana tsy hita!
va re! manantena any ho any?

Hisidina ho aiza re izato ry lahy!
ny hovitrovitra tsy mba jerena;
Fa toa kopak'elatra tsy mba manahy,
ilay voron-kelin'ny fo manantena.

Fo manantena ny ho tafaray,
ka ho tojo ilay tiana sy tia.
ilay fanirian'ny roa te ho iray;
fanantenan'ny fo:hifangia.

#Antsa T.rasahobiarinjaka 30/10/14
--------
Rohy:
1357 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162