Hianao no tononkirako - Antsa tononkalo.R
ikalamako
"Hianao no tononkirako" ho an'i*...
Ny tsiky iray imolotrao, namaharako hasambarana
namenoako izay tsy feno, tamin'ny fo, fanahy, fisainako
Dia masoandro tatsinana, izay nataoko fanoharana ,
Tamin'ny "tsikinao" ihany , no lazaiko hoe marainako !
Ary 'lay marain-droa? -tamin'ny loko mangan-danitra
nofaritako ho habakabako, izay hiraiko foana,lahy,
teny an-dohasaha haolo feno voninkazo manitra
Dia ny "masonao" indrindra, fony ianao nibanjina ahy.
Irony hoe somabisambin'ny hariva safomorona,
volon'andro tantaraiko , sy ny kalokalom-borona
dia tsy zovy fa hianao , tamin'ny voary tomandavany
fa hianao no tononkirako , tamin'ny lantom-peok' iva
nohiraiko raha maraina, nokaloiko fony hariva,
Tamin'ny foko velon-kira, nampihirain'ny "Fitiavany".
Antsa Tononkalo.R "volana Jona 2020"
in *Hianao no mahalala"
Mombamomba
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R

Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 26/09/2020
Mpamangy : 411
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Malala FahizayEisy e! Ry lala!
Amoron-takariva
"Mpamaliha"
TONONKALO, anefa hira
"Mialohan'ny zavatra rehe
"Oram-panala"
TIAKO HITOETRA
Teny,
Ny Antsaly