I no hadinkadinim-panahy, (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I
no hadinkadinim-panahy,
lahy ny foko:
hanaitra ny tsiahy efa mandry
sy ny hanina anao fahizay.
Rendremana fa tsy tafandry,
ta hamaly kinanjo dia moana
ny fahatsiarovana anao... Efa may
dia lavenina sisa kofohana!
misavovona antaranaona
nohadinkadinim-panahy
ho aho ny foko
Rendremana fa tsy tafandry,
mikaroka tapa-porohanan'
ny embona anao... Efa maty
dia lavenina sisa kofohana!

II
Mandoko ny volan-tomaratra
ny maso manopy mankany
mitazana lanitra... mihidy,
ny rahona anefa mibahana
manakona 'tara-diavolana
tsy hanondraka felambinany,
hamerina indray antadidy
ny hanitry ny ela niarahana
ny maso manopy mankany,
tsy alanenina anefa kiry
ny hanina anao... Efa maina
ny vonin'ny felam-binany?
he! voninkazo mariry

III
no hadinkadinim-panahy,
lahy ny foko:
ka moana... tsy nanankavaly,
ta hamaly fa tsy afa-mivela
hamerina indray hoe ny lokon'
ny tsiaro anao... Mainty molaly
ngalingalin'ny ela sy ny ela!

A.T.R 23 oktobra 2017
--------
Rohy:
815 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144