"Matory maty" - Antsa tononkalo.R
"Matory maty"
Matory maty ny nofo efa revo
ny torimaso mangitsoka lalina
mandry ao anatin'ny nofy
mandrevo
nofy tsy hifarana andro aman'alina.
Tsy mba somparan'ny
masoandro indray
ary tsy hiandrasana alina akory
ny nofin'ny maty dia mandrakizay
matory maty, ny maty matory !
Matory maty ny nofo efa jamba
tsy mahatsinjo ny andro maraina
fatratra loatra rakofan'ny
lamban'
ny mena miravy tsy hainao visaina.
Ny masoandron'ny maty dia volam-botsiaka
no hany rakofan'ny aliny ory
tsy mba tapa-tory lalovan-
katsiaka
matory maty, ny maty matory!
Matory maty ny nofo efa very,
very tadidy ny fo sy ny saina
saronan'ny vato, dia tsy hita fa miery
tsy mahatsiaro ny andro maraina.
'zay fahatsiarovana sisa mivela
salovana sy endrika tonga mahory
andrasan-kiarina, kinanjo tavela
matory maty... Ny maty?-matory !
Antsa Tononkalo.R
Mombamomba
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R

Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 01/03/2019
Mpamangy : 927
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Malala FahizayEisy e! Ry lala!
Amoron-takariva
"Mpamaliha"
TONONKALO, anefa hira
Hianao no tononkirako
"Mialohan'ny zavatra rehe
"Oram-panala"
TIAKO HITOETRA
Teny,