Namana, sakaiza, (Antsa tononkalo.R)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana,

Namana, sakaiza, tsy fantatro, tsy ahïko!
Rehefa iny ianao tsaroako . . .
Mihira ny hafaliako,
mitsinjaka haravoana ny tokotanim-poko,

Namako, sakaiza izay no tsapako eto
Ny ankoatr'izay tsy haiko . . .
Rehefa iny ianao misento ?
Manintsanintsam-bony ny tokotanin-tsaiko !

hany, mpitahiry izay tsy ambara roako
f'ianao no mahalala, izay rehetra miafina aminy
ts'iza ianao na zovy
fa naman'ito foko!
Mpiara-milalao,mpiremby antokotaniny. . .


Antsa Tononkalo.R 20/03/2018
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/antsa-tononkalo.r/namana-namana-sakaiza
1063 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2107