Poeta... (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poeta,

Mpitsabo ny fery sy ny ratranao taloha
Mampandry ho anao sahady ny tsiaro vao mifoha
Miantsoroka ny sento, tsy zakanao, tsy toha
Mpamafy voan-tsiky ny maraina vao miandoha.

Poeta,
Mandrandrana hala-voly amin'ny rarirarin-tsaina
Mambomba zavozavo ho tonga fofon'aina
ny misy mbola tsy hary, fa vitany antsaina
Manoratra sahady ny hampitsonao maraina!

Poeta,
Mahavita manimbolo ny lasanao, fa very,,
Mahatazana sahady ny miafinao sy miery
hany mpilomano amin'ny ratram-po mahery,
Kanefa koa fanahy, ratraina tsy hita fery !

Poeta,
Mpamelombelon'ainga ny nofinao marary,
mpikalo am-betsovetso ny teny mba ho sary,
mpanangana ny maty sy ny misy mbola tsy hary ;
Kanefa tsy hay zoviana, nofo sa fanahy? -na mety zanahary !

Poeta...

Antsa tononkalo.R 22/03/2018
--------
Rohy:
1419 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142