Rahoviana? - Antsa tononkalo.R
Azo vakiana?
Rahaovina vao hiafitra ny dindon'pahatsiarovana ;
ka ho tonga fofon'aina, ny zavozavon-tsiaro
dia ho tsapanao mivaingana sy ho hitanao salovana ;
Ny tiana tsy eto intsony ! Fa nandao an-taona maro !
Rahoviana ho tonga nofo, ny nofinofy atoandro ;
Ka ho afaka amboloina ny hanitra fanahy
sa rehefa miantsinana no mody ny masonandro ,
va hianao ry foko vao hitsahatra mahatsiahy ?
Fa setroka rahoviana no hanorika amin'ny tany :
Na inona n'inona finoana, ary na iza n'iza mpino ;
Ny korisan-dranon-driaka,tsy hiakatra mankany ...
'Nefa ianao ry foko,tsy fantatro fa asa, tsy mety manadino !
Dia mbola mialokaloka amin'ny dindom-pahatsiarovana
Sy manao fangala-piery amin'ny zavozavon-tsiaro :
Avelo toy ny ahoana no ho hitanao salovana ;
Ny tiana tsy eto intsony? Fa nandao an-taona maro.
A.T. rasahobiarinjaka 02/03/2018
Hevitra mandeha
Ajnal (05/03/2018 05:45:19)
Tena mandona ny ati-fo be ny asa-soratrao,Tena nanidina mihitsy aho namaky azy.Iriko raha mba misy andro iray tsy ampoizina any aoriana any ka ho hitako amina boky ireo asa-soratrao ireo.Fankasitrahana feno no atolotra anao ry antsa tononkalo.R.
antsa tononkalo.R (06/03/2018 12:43:45)
Finaritra indrindra re Tompoko o!
Faly ny mpanoratra rehefa tafapaika any amin'ny mpamaky ny fihetsehampoany !
(...) Hombako manana ihany koa izany fanirianao izany,
Fa ho hita miandalana eny ihany, izay mahasoa re hataon'Andriamanitra!
"Sitraka ankatelomana e!"
Mombamomba
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R

Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 02/03/2018
Mpamangy : 1447
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Malala FahizayEisy e! Ry lala!
Amoron-takariva
"Mpamaliha"
TONONKALO, anefa hira
Hianao no tononkirako
"Mialohan'ny zavatra rehe
"Oram-panala"
TIAKO HITOETRA
Teny,