Taikan'orana ! (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taikan'orana

Nitaika ho aho ny vazon'
iny rotsak'orana iny,
fa tsy mbola nahavanona.
Ny eto koa tarazon'
ny ora nidifiany,
tamberin'ora mihanina

ny volana miraratra,
manondraka vinany:
handrobona fitrebona,
mamerovero ny hanitry
ny aminao tontolo...
Mananika an'ankaratra
ny eritro nankany...
midona-tsetrok'embona
Masika fanimbolo !

manaraka ny moron'
ny habaka tsiahy,
sy tambolon-drahon' ny tsiaro anao rehetra
mahalasalasam-borona
ny elatra fanahy,
ho lasana ambiroa, tsy mety ho tafatoetra...

Ny tsiahy anao misafo
ny zanakadidohako,
mihatraika anaty foko:
handefa antsamotady
ny sento arivoarivo!

Tsy maty akory ny afon'
ny vinany anao no fohako,
Vao mihosotrosodoko...
Mitobaka sahady,
ny lanitra marivo!

Niraraka ny vazon'
iny taikan'orana iny,
nijojo tsy ankijanona.
Ny eto ho aho...Tarazon'
ny ora nidifiany!
Tsy mbola maty hanina...


Antsa T.Rasahobiarinjaka 14/12/17
--------
Rohy:
840 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103