TIAKO HITOETRA (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako hitoetra,

Tiako ho taratra eto ihany,
ilay endrikao nalaiko sary
sarisary tao an-tsaina,
saina keliko marary
tsy mahita anao maraina

Tiako ho tononkira izany,
feonao mibitsika ahy
horenesiko eto hatrany
amin'ny oran'ny fanahy
mahafeno ny vinany.

Tiako ho emboka ato am-poko,
ny hanitrao mampanimbolo
amin'ny androko toloko.

Eny, tiako hianao, ho tafateotra
ara-batana tontolo
amin'ny andro rehetra rehetra.

Antsa Tononkalo.R volana may in."Hianao no mahalala"
--------
Rohy:
770 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011