TONONKALO, anefa hira (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"T O N O N K A L O, anefa hira"

"HIRAHIRA" monja ihany, irony hira fantatrao"
fa ny nofo no mandre. . . raha miritsoka mandalo
Rivodrivotra manonja sy mifaoka manindao,
ary zary tebiteby ho an'ny fo mba te hikalo !

"Tononkalo anefa hira, ho renesin'ny fanahy"
tonga aina ho an'ny nofo, hira velona sy miaina
ka mitondra filaminana, mampitony 'zay manahy ;
fa miritsoka mangina, ao anaty fo sy saina.

"HIRAHIRA" monja ihany, irony hira fantatrao"
fa ny nofo no mandre. . . raha miritsoka mandalo,
Mpivahiny toy nofo, mora lasa manindao,
Potipotiny amin'ny hira, sombintsombiny amin-kalo !

"Tononkalo anefa hira, izay narafitra fanahy"
misy endrika sy feo , hira velona sy miaina
ka maharitra ao anaty, tsy mba maty na manahy ;
fa mamelombelon'ainga, ao anaty fo sy saina.

"Fa ny tena tononkira. . . Fa ny tena tononkalo"
-dia narafitra "Fanahy", ho renesin'ny Fanahy;
Tonga aina ho an'ny nofo, raha miritsoka mandalo . . .
Hira velona sy miaina, tsy mba maty tsy manahy.



in."Hianao no mahalala"

Antsa Tononkalo.R (A.T.R) Volana Jolay 2020
--------
Rohy:
902 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R
Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 29/10/2020 19:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141