Tretrika , (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Narindra ny zavaboary,
mba ho hanitra samy hafa loko ;
eto amin'izao tany izao,
fa tretrika ho aho ilay nahary,
nandrindran'ny tempon'ny foko ;
Hitempo fitiavana anao.

(Avy aminy mantsy ny tendry,ny lahatra vintana,anjara ;
no hinoako fa tamy mitranga
fa Izy no hany mikendry, sy tokana fa manajara ;
Mampitovy ny tadin-dokanga.)

Narindrany koa ny fonao, hitempo fitiavana ho ahy ;
Ny androny sisa rehetra.
Ny sombiny kely aminao,dia famenon'ny silam-panahy !
hany ka aina no fetra.

Narindra ny voahary isan-toko, mba hisy karazany sao ;
honjohonjon'ny tokana, hay...
mba tretrika koa lahy ny foko,narindra fitempo aminao ;
Ny orany mandrakizay.


Antsa tononkalo.R 08/03/2018
--------
Rohy:
979 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104