TOLOM-PANAFAHANA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Totoina toa tsy resy
Kapaina tsy milefy
Fa toa mahazo vahana
Ilay tolom-panafahana

Darofana, mijoro
Jinjaina tsy mikoro
Dia ampandriana adrisa
Vao miha-mitombo isa

Kiviana fa tsy ketraka
Aroana toa mipetraka
Volena tsaho sy fitaka
Vao maika koa mifikitra

Fa iza loatra ireo
No tsy mba mety leo?
Sa olona voavidy
Hiaritra ny ngidy?

Ireo no tena namana
Mitaky fahafahana
Fa vonona hanohana
Ny efa nitolomana

Dia atao ny fafi-lainga
Ny tetika hamadiham-bainga
Mba hampilefitra ireo olona
Tsy vizana manohy ny tolona

K’aleo ho avy izay ho avy
Fa efa vonona hiatrik’ady
FA ny fitsaram-bahoaka
--------
Rohy:
Sokajy : Tolom-panafahana
1368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : megamix
Daty : 13/06/2013 19:02
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109