Ny fitia - arcane
Azo vakiana?
Ny fitia
Ny Fitia ? famaritana tsy voafandrika an-tsary
An'eritreritra satria tsy natao ho fantatra
Norefesiko tamin'ny filahatry ny kintana ary
Nantsoiko hoe vintana, nanjary ankamantatra
Ho an'ireo olon-drery sy ireo olom-dresy mitady
Hatrany tara-pahazavana toa efa fantany sahady
Fa tsy natao ho azy : fefena, elanelanan'hady
Hamerana ny kisendrasendra tsy hitondra any.
Ny Fitia ? Tselatra voafintin'ny maso mifampijery
Mampitsiky vetivety ny lanitra saingy avy hatrany
Dia atelin'ny haizina ho fanantenana very
Satria latsa-baratra natokana ho an'olon-drery.
Nampitahaiko tamin'ny taratry ny volana mangina
Nampidoboka ny foko irery tao anaty tomany,
Dia nanjary tsy tafarina; nofy tsy azao takarina
Satriko tsy nobanjinina, nefa indray aleoko ihany...
Hevitra mandeha
arcane (02/11/2003 22:46:23)
Satria ity no soratro vaolohany eto dia aleo aloha ny taloha no aroso.
arcane
Mombamomba
Mpanoratra : arcane
Nampiditra : arcaneDaty : 02/11/2003
Mpamangy : 5909
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ho an'i malalakoEritreritra
Kilalaon-teny
Raha...
Miandry
Hisy
Maso mifanojo