Superstition (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
oSUPERSTITION (Aza adika amin’ny teny Gasy)

Olombelona aho ry namana!!!
Saina, vatana, fanahy
Ivo ihany koa fa rà.
Tsara ho ahy ilay anarana,
ny tontolo manontolo
no nanjary velom-bolo
tamin’ny andro nahaterahako.

Ary ilay Mpahary,
tsy nanan-tsafidy…
Raha tsy nohariany aho
tsy hiteny hoe misy Izy.
Ary ianao mijery ahy io,
izao koa mba tadidio!!!
Raha tsy ny hevitra ato an-tsaiko
izay dikanao tsy ho haiko.

Satria OLOMBELONA aho,
Dia eto amiko mivavaka
Ry miaina tsy ankanavaka…
Fa izaho tsy biby intsony
Fa efa tena OLOMBELONA

RATOMPOKOLAHY Ari Ira
--------
Rohy:
1215 1
Mpakafy: absolu
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145