You are here: home > Vetso

lavitra - arimalala

Azo vakiana?

lavitra ny tiana
misento manirery
ny maso no variana
ny saina verivery

any ianao zay
ry tiako lavitra ahy
ny foko mitomany
tsy afaka mankany

ny hany antenaiko
ry tiako sombinaiko
hoavy ny andro iray
hiaonantsika indray

amin'izay ny foko hifaly
ka hifarana eo ny jaly
hifarana hatreo
ireo sento sy toreo

Sokajy : embona, Fitiavana, Hanina

Hevitra mandeha

mpiserasera (16/08/2009 13:34:39)

Lavitra...
Lavitra ilay tiana
Mampisinda ilay hafaliana
Toa tokana aman-tany
Toa alahelo sy tomany
Nefa feno hasambarana
Tsy sanatria ankasoparana
Fa ny hany ho tarigetra
Dia ilay fitia tsy hanam-petra

Mpiserasera

Mombamomba

Mpanoratra : arimalala

Nampiditra : ari.malala
Daty : 25/01/2008
Mpamangy : 1912
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

...
Ianao
Pour toi mon amour
Ho anao
Raha...
tiako ianao rahavako
lasana
raha izay...