Ilay marina ao anaty (Arison Jaha)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azonao atao ny manisy sira,
Mitafy loko hafa, mirenty dinta manitra.
Azonao atao mihosotra lasira,
Mirongo ireo filiro manendrika salanitra.

Mety ho vitanao ny tsiky tsara sary,
Mety ho vitanao ireo teny lavorary.

Fa raha mbola misy fo, tepo tsy mba maty,
Dia mbola hisy ora, hirongatra tsy nahy
Ireo marina ao anaty.

Ny hazo raha maniry mitady ilay masoandro,
Ny rano mikoriana, hamonjy ranomasina.

Ny fomba sy ny taiza, ireo sanda izay namboarina.
Hitondra anao ho aiza ? Tianao hofantarina ?

Azonao atao ny mivilivily,
Minia tsy mijery izay tena tianao.
Azonao atao manohy amin-kiry
ireo hazakaza-dava, fa efa zatra ianao.

Fa raha mbola misy tsetra, baraingo an’ati-doha,
Dia mbola hisy andro, hiverina amboletra
Ireo marina ao am-po.

F’ireo no mbola hanondro ny toeran’ny masoandro.
Hanisy feo sy hira ny lokon’ny isan’andro.
Lay fahasambarana iny ? - Lay tsy azo iodivirana ?

- Eny.

Eny fa,
Raha tomany ianao, dia afaka tomany,
Tsy misy fandrarana.
Raha velon-tsiky ianao, dia ilay tsiky tena izy,
Tsy misy hanalana,

Fa mitovy zotra,
Mitovy marik’isa, ilay fo sy ao an-tsaina,
Dia ho hitanao batsilana,
Ho tsapanao tanteraka fa mamy ‘lay miaina,
Miaina am-pahamarinana.


in- "Nosin'ny fitiavana manonja"
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
423 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arison Jaha
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/06/2020 21:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147