ADY SAHALA (Aro-Zo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY SAHALA
Eny ry fo efa sasa-nifona
Nanjehy ny lava, nihevitra ho tiana
Aza tomany f'andeha mionona
Ny sira efa an-drano tsy hay hampodiana

Ahodino im-pito ny loha vao mania,
Saino ny dona miverin'ny lasa
Sao dia hanaloka anao sanatria
Ny todin'ny fony izay voarasarasa

Eny ry fo izay nandiso fitsapaka
Te hamaky vala alin'ny lalan'ny tendry
Aza manenona ny efa tinapaka
Tiavo ny an-tanana fa olon-kendry

Aza simbaina noho ny aminy
intsony
Ny sila-tsegondran'ny tadidinao
F'efa nanolatra ela tam-pony
Ny ratran'ny lasa niaraha-nanao

Eny ry fo, nandrandrai-tsy nody
Nofo aman-dra izy: niova "Malala"
Aza misaina akory hiantso tody
Fa ny anareo efa ady sahala

Aro-Zo( Aogositra 2019)
--------
Rohy:
Sokajy : fiononana - nenina - Fitiavana
517 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aro-Zo
Nampiditra : Aro-Zo
Daty : 09/09/2019 12:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094