Harivariva (Auguste Rajon)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nidina mora tandrefana tao,
Ilay masoandro namiratra soa,
Notronin'ny rahona be mitatao,
Nivolom-bolamena madera tokoa !

Tsy ela dia iny fa lasa nidify
Nafenin'ny bonga, tsy nisy nitranga,
Ka taratra kely io efa manify
No sisa nisoritra an-danitra manga.

Ny tendron'Ankaratra indro nisaona,
Notakontakonan'ny "zavon-kariva",
Dia avy ny haizina, nifamotoana
Hambomba ny lemaka, toerana iva !

He ! Rivo-manara no re mba nisosa,
Nanao rodobe, nifofo aoka izany,
Fa vorona maro tsy rototra kosa
Injany 'naneno, nihira any ho any !

Dia setroka kely niakatra mora,
Izay nasafoton'ny rivotra indray,
No hany mba sisa nanapitra ny ora,
Dia aizina mainty no solon'izay !

Ny kintan'ny lanitra, be sesehena,
Nandefa ny tarany fotsy ho ety,
Ny rivotra kosa no mbola nitrena,
Nisioka malemy, ningonona ery !

Henoy e, ry kintan'ny lanitra ambony !
Ry rivo-misioka, mitsoka any ho any !
Na iza na iza misento ao am-pony,
Lazao fa izany e no lalan'ny tany ! …


Gazetim-panjakana, 25 nov. 1927
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
978 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Auguste Rajon
Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019 16:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094