Ilay hafatra (azuno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha fitiavana no asandratra
dia tena avo sady mahasambatra
hifandrombahan'ny olona ankahitriny
ka matetika miafara amin'ny tody sy ny tsiny

maro tokoa ny mpifankatia
ny mivilivily atsy sy ary
ka mahatonga izany tsy haharitra
fa vetivety foana dia tapitra

tsara tokoa ny mifanaja tena
mba tsy amikorontana sy hampiena
izay efa ela nandrandraina tao
ka haharitra tokoa ka tsy hifandao

indraindrayaza hifaninanana
satria ny fitiavana tsy azo sakanana
ka mahatonga ny sasany hirehare
mba ho hitan'ireo mpandalo sy mpandeha

ny fitiavana tsy misy vola sy harena
fa rehefa tia dia izay no kendrena
misy koa manao azy ho fanerena
nefa safidi-po io fa tsy azo terena

natao t@ 09 jona 2004
r.nix
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
2851 2
Hevitra mandeha
kaka1000 ( 05/02/2005 15:39)
Ratsy be tsy tiako ny anay nef
kaka1000 ( 05/02/2005 15:44)
Ratsy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : azuno
Nampiditra : azuno
Daty : 05/02/2005 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099