Tia (azuno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fitiavana tena mamy
no atolotro ho anao androany
fitia tsy misy nenina
fa mankamamy ka tsy azo afenina

ity tenako adala
no nanolotra tsy an-tsalasala
ka nanome hatrany
sady ho anao irery ihany

fitiavana mandrakizay
no mba faniriko hatrizay
koa manontany tena aho
ianao ihany ve ilay am-poko ao

fitia ho doria
no omeko anao ry tia
ka tsy vazivazy
fa tena saropady

tsapanao angamba
izany hoe fitia tsy misy ambahamba
fa rehefa mankafia
dia tena maharitra mandrakizay doria

natao t@ 28 martsa 2003
r.nix
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3341 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : azuno
Nampiditra : azuno
Daty : 05/02/2005 15:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107