You are here: home > Vetso

TSY PISO - Bade RaAnRaMa

Azo vakiana?


TSY PISO Tompoko รด!!!!!

hazavao lalina
f'izaho ho'aho tsy mahazo ,
ianao zany iza marina:
totozy sa voalavo
no izaho no antsoinao piso!?

saaa...

impiry efa nohaniko
ny laokanao masiso!?

zany ho'aho malala a ...

tsy akory aho mila vaniny
fa mba te hahalala
de mb'omeo valiny
mahafa-po tanteraka e !

zaho mantsy hendratrendratra
antsoinao tato ho ato :

PISO... PISO ... PISO

malaza ilay fiantso faaa
amiko iny diso!

ny saka mantsy reitsy
biby fetsifetsy
mpiatsarivelatsihy a!

tsy azo atokisana amin'ny laoka eo an-dovia!

mody mba bonaika
malemilemy paika
fa manafina ny hohony ...

ny malotony?
voatotony
fa ny vody tsy voafafany...

de ny 'meo 'meo ihany
no voambolana mba fantany...

ka aoka akia ry tiako a!!
fiantso tsy miady
ny pisopison-driako!

MALALA ny ahy no tiako oo!
na koa hoe sombiniaiko
fa aza antsointsoina
amin'ny zavatra tsy haiko!!

bade

Mombamomba

Mpanoratra : Bade RaAnRaMa

Nampiditra : bade RaAnRama
Daty : 12/04/2018
Mpamangy : 778
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RAFOMARARINIAIKO
TSY MI -L
NY FE TSY BOKY
MANJA