LASY IRAY (BANGOTOKANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASY IRAY
Misy toerana iray, noforoniko ho anao
Loko fotsy ranoray, no manjaka ao aminy ao
Nohaingoko zavan-tsoa, nasiako volamena
Mba ho lafatra tokoa, hahafatifaty izay jerena

Ny anarantsika mitambatra, no voasokitra eo aloha
Satria iray filamatra, iray koa isika roa
Tsy nasiako menarana ka hisompatra dia
Fa nosoloiko teny ierana, mba hampanjary ny fitia

Tsy nantsoiko hoe Edena, lay paradisa fahizay
Ilay nampihenahena, lasa fahoriana indray
Fa nataoko hoe fitiavana, fitia tsy misy ambadika
Olon-droa miara-dalana, tsy hisy izay hivadika

Novoleko voninkazo, eo am-povoany eo
Mba tsy hampihazohazo, na sanatria hoe hankaleo
Tsy hisy fahotana na hivadim-panekena
Fa fitiavana no lalana, tsy misy ditra na terena

Hanokanana andro iray, toy andro androany ity
Tontolo andro mampiray, hampiraisana fitia
Ka ho tsiahivana isan-taona, ho marihantsika roa
Fa tsy vokosoky ny fotoana, ilay dinan’olon-droa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1573 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 22/02/2012 22:51)
Tena tokony ho fidiana Filoham-pirenena mihintsy ianao fa izany no tokony endrika omena an'i Madagasikara e lol
BANGOTOKANA ( 22/05/2012 08:37)
Tsy haiko ny hanova an'i Madagasikara ho edena fa maro tompo loatra mantsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BANGOTOKANA
Nampiditra : BANGOTOKANA
Daty : 18/02/2012 05:43
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109