You are here: home > Vetso

NY FITIA - BANGOTOKANA

Azo vakiana?

NY FITIA


Raha fahavalo  ny fitia, nialako lavitra mihitsy
Tsy navela hiriria , novonoako tsy akitsitsy
Fa tsy mba toy izany akory, tsy arak’izay nam-pozina
Fa mandrendrika toa tory, tory maso zary poizina ,

               Mahay mamitaka ny  fo, zary malemilemy toetra
               Raha vao babony ao de voa ,voafahirano sy amboletra
               Ampitafiany ranomaso,hirifiry tsy hay ialana
               Aretim-po mitafotafo,aretin-doza igagana

Ka ananarako  izay tsy ao,hajam-bao aloha ny fo
Andotsiro sy ialao, idifio lavitra tokoa
Fa iriana maha ory, toa harena mitafotafo
Tsy ahitan-tory, fa mandoro toy ny afo


Aimé Rolland ANDRIAMASINAVALONA



Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : BANGOTOKANA


Nampiditra : BANGOTOKANA
Daty : 02/08/2012
Mpamangy : 2147
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsy misy lohan-teny
VONONA
TANTARA TSY VOAFAFA
ORANA
TSIAHY
LASY IRAY
VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO