ORANA - BANGOTOKANA
Azo vakiana?
Ô ry orana ao ambony, moa va mba fantatrao?
Fa ny feonao no mpampitony, ireo alahelo anatiko ao
Ilay ianao misosa mora, mandrakotra ny tafo.
No mpankahery ty foko tola, ilay nilaozan-tsafosafo
Toa hainao tsara, ny mihaino ny alaheloko
Tsy mpandiso tsy mpitsara, Tsy mpitanisa zato heloko
Oviana ngaha ianao, no hiverina eto ndray
Hitondra teny vao, sy teny mamy mampiray
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : BANGOTOKANA

Nampiditra : Bangotokana
Daty : 07/11/2012
Mpamangy : 1238
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy misy lohan-tenyVONONA
TANTARA TSY VOAFAFA
TSIAHY
NY FITIA
LASY IRAY
VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO