You are here: home > Vetso

Tsy misy lohan-teny - BANGOTOKANA

Azo vakiana?

O ry lasako iny  e ! Moa va ianao hiverina
Hanitsy ireo fahiny,  Ilay naha kivy nampanenina
Ilay noheverina ho kanto, ilay nibitahako sahady
Nefa indrisy , kinanjo,  nitondra jaly tsy resin’ady

Niontana aok’izany, izany fony , teo am-boalohany
F’izay  vao ho tojo mamy, ireo ihany no tao an-dohany
Nefa tampoka , indrisy, fa nivadika ny rasa
Fijaliana no nikiky,  nandrotika sy nandratra

Fa diso kajy diso tetika, ilay fitiavany  nanjombona
Fa tafa paka tafa lentika, ary koa tsy  tafa tombona
Asakasakao r’ilay diamondrany,  fa ianao  ihany no nantenainy
Ilay  mba tiny hiambozonany,ho  sila panahy , sakaizany

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : BANGOTOKANA


Nampiditra : bangotokana
Daty : 20/11/2013
Mpamangy : 928
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

VONONA
TANTARA TSY VOAFAFA
ORANA
TSIAHY
NY FITIA
LASY IRAY
VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO