VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO - BANGOTOKANA
Azo vakiana?
VAVAKA HO AN’NY OLON-TIAKO
Ry Zanahary ao ambony, indro ity ny zanakao
Fa hanambara ny ao ampony, izao anio zao
Ilay olon-tiako izay, ilay tiako tena tiako
Toa mila ho kivy indraindray, fa zary nampijaliako
Omeo ahy ry Ray, ny fo mahay mitia
Hanajako azy indray, hitiavako ho doria
Omeo ahy ry Tompo, ny fo mahay manaja
Ny hibahanany ato am-poko, hanjaka eo am-bava
Omeo ahy ry Zanaka, ny saina mampanjaka
Ilay fitiavana taranaka, hiadana ao an-dapa
Omeo ahy anio, ny hery hoeti-miady
Ilay fanahy mpanadio, hanamafy izato voady
Omeo ahy ry Fanahy ,ny fo mahalala
Fa izy irery no ahy, izy no malala
Omeo ahy ry Mpahary,,ny saina volamena
Ka hampiharihary, ilay toky zay nomena
Fa izy irery no ahy,de ho izy ihany koa
Ilay mpitondra, mamy,mpikolokolo fo
Mba omeo azy koa anefa, ireo rehetra ireo
Ka hitovy traikefa, hitovy lantom-peo
Ny voninahitra anie, ho Anao mandrakizay
Ny fiadanana kosa re, ataovy ety aminay
F’Anao ny fanjakana sy ny hery hatrizay
Ka tsy afaka ialana , fa Ianao no Rainay
Amen
Mombamomba
Mpanoratra : BANGOTOKANA

Nampiditra : BANGOTOKANA
Daty : 18/02/2012
Mpamangy : 3800
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsy misy lohan-tenyVONONA
TANTARA TSY VOAFAFA
ORANA
TSIAHY
NY FITIA
LASY IRAY