HOAN'NY TIA FA TSY TIANA (Baraingo Valo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"N'abandonne pas celui qui t'aime pour celui que tu aimes parce que celui que tu aimes pourrait aussi t'abandonner pour celui qu'il aime..."

Aza misisika amin'izay efa fantatrao
Fa tsy ho anjara akory rehefa any aoriana.
Aza misisika hiaraka aminy fandrao
Ka mainka hampitombo izato fahoriana!

Ny fiainanao no ketreho mba hihodina tsara
Manaova ny mety mba ho tafavoaka,
Fa aza misisika amin'izay tsy ho anjara
Ka hanary eritreritra amin'ny fisotroan-toaka.

Toa anao izao no mampijaly tena
Mitady aretina hanorisory.
Ny mitady ny "Tia" leitsy no fahendrena
Fa tsy ny misisika hiaraka amin'ny "Tiana" akory...

[............................................]

Baraingo Valo
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
876 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142