SOVENIRA MAMY (Baraingo Valo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a! Tiako be ny bangom-bolonao anio
Toy ny bangom-bolon'ny mpamonjy mariazy.
Reko manitra ao ny menaka voanio
Sy ny menaka oliva izay nohosotra azy!

Endrey izany foko, tretrika sy faly
Tsy mety tafatombina fa potika sy taitra,
Nahazo vehivavy gasy natoraly
Tsy misy "maquillage" nefa manja sady raitra...

Mahatsiaro sambatra aho! Misaotra an-janahary
Fa mba nomeny anjara vady toa an'indria!
Koa avia kely aloha mba hiaraka haka sary
Mba ho sovernira mamin'ity androany ity...

Baraingo Valo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1003 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102