Vavak'ombalahy jaky (Besorongola na Gasy ka Gasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAK’OMBALAHY
Izao no vavako Andriamanitra
Mba ekeo hanaka danitra
Fa toloko-mpiangaviana
Ho an’ity tany amamiana
Fa toa kodingy very tsihy
Resy ny mampahory izahay ety.
Ny hasohason’ny mpanamora no mandraby
Nefa toa tsy ho zava-mora izy ity
Kodaidaina mikodedika aho
miantso ny anaranao Izainahary
mitaraina mitalaho aminao Mpanazary
Ka hoy aho é :
Kajio amin’ny herinao zahay
Tsy ho rambasana hakiviana
Ka mba ahavita soa sy hoto ankamamiana
Ka hoy aho é:
Aza avela hisomebika anaty samatrotroka
Aza atao very remby ka ho drodroka
Fa mba tahio re ity vahoaka gasitsara
Mba hitodihonao ity Gasikara
Ka hoy aho hoe:
Ho somebiseby eny an-dahasa ka ahavanona
Ho mamy hoditra aminy harena voky hanina
Ambin’javatra homaro fara maro dimby
Ho vanona fikasa ‘zay taranaka hifandimby
Ka hoy aho hoe:
Ny zatovo ahay hamindra fa tsy ombalahin’aviavy
Ny antitra tsy ho fola- tanana ho fanondro ny mpianakavyKa ho voromahery sy ombalahy no reharehanao Zanahary
Ho firenena, tanindrazana, misaotra anao Mpanazary.
--------
Rohy:
1079 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Besorongola na Gasy ka Gasy
Nampiditra : besorongola
Daty : 11/11/2003 13:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129