hafatra/FA HO TIA ANAO MANDRAKIZAY (bobone)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra ka mandalo iny vohitr'iny ianao
dia mba ento kely ange izao hafatro izao
misy olona iray izay miandry fatratra any
mitoloko samy irery ,kotsakotsan'ny Tomany

Tsy fidiny ho azy mantsy no nandao anareo
fa noho ny toeran-tsy zaka izay matetika niseho
Dia ny tondro molotra sy ny karazana eso-teny
Mila tsy ho tanty izay nataon'ireo Ray Amandreny

Mahatra mantsy aho tsy mba mpanefoefo
Tsy dia nahita fianarana ,fivelomana marefo
ilay fitia miboiboika ao an-tratrako ao
Vao maika manesika ahy ny ho Tia anao

fantatro Ianao fa mbola mankamamy ahy
saingy indrisy fa matahotra sady be miahiahy
sao hariana tsy ho zanaka an-trano intsony
Ka vao maika ihitatra ny ady sy lonilony

Koa naleonao nanaraka ny tenin-Ray sy Reny
ilay nitaiza sy nikolo , nampianatra niteny
Naleonao nijanona ka nandao ny amiko tanteraka
Ny FItiavako indrisy !!!! eee ireo zanako nanteraka ???

Mampamangy hono hoe hoy i Dada mbola tia
izay mipetraka amin'iry tanana iry
tsy manadino amin'izao fety izao
fa tena voatsiahy ao anaty fony ao

Ilay Ray ao ambony ,Tena tia tsy manavaka
No handratako ambony izato tonom-bavaka
Fa mbola hisy ny fotoana hiova fo Izy ireo
ka ho foana ny toloko, ranomaso sy toreo

izany re no hafatro ataovy tonga soamantsara
Fa i Dada mbola miandry vonona ikarakara
Tsy ny vola aman-karena izay mora lany sy mora lo
Fa ilay fanekena teo imason'ny Tsitoha
FA HO TIA ANAO MANDRAKIZAY


Bobone /Antra
--------
Rohy:
1335 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : bobone
Nampiditra : bobone
Daty : 27/12/2016 08:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098