mandrapihaona (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lasa tsy nahafoy, ka natao an-dranomaso?
ho am-pitan-drano ihany ka tsy ho tazanao ny anio,
kanefa, mbola hiverina ny tianao fa andraso!
aza kivy anefa fa izao no tadidio:

ny zavatra efa vita, na vao niatomboka aza,
tsy hofaranana sahady f'aza atao mampitomany;
fa any lavitra any aho ndrao hivazavaza,
hitabataba mafy ny anaranao hatrany,
ka hanjary hitomany.

ny anaty fonao tsapako, toa iainako sahady!
kivy ianao fa fantatro, torovana ara-tsaina;
raha toloko sy toreo anefa no hoentinao hiady,
ho resy ianao kanefa tsarovy sombin'aina:

raha sendra ka irery takariva ianao ry tiako,
ka mitara-mena ho anao ny fahazavana;
fanilo avy ato am-poko sy fitia izay nofidiako
fantatro hoe anao, ka noezahako noalĂ na.
--------
Rohy:
1165 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 18/04/2019 08:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106